Tonga tety an-tany i Jesoa mba hanolotra ny tenany ho an’ny olona rehetra. Efa voalaza hatrany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona izany hafatra izany, voasoratra miaraka amin’ny soron’i Abrahama sy ny Paska, voalaza mazava ihany koa tao anatin’ireo faminaniana samihafa ao amin’ny Testamenta Taloha. Nasongadina manokana ny fahafatesany, inona tokoa no maha-zava-dehibe izany? Izany no fanontaniana mety hanitikitika ny saina. Toy ny lalàna no ilazan’ny baiboly fa :
Fa fahafatesana no tambin’ny ota…
Romana 6:23
« Ny fahafatesana » dia midika ara-bakiteny hoe “fisarahana”. Rehefa misaraka amin’ny vatana ny fanahy, izany no fahafatesana ara-batana. Toy izany koa, tafasaraka ara-panahy amin’Andriamanitra isika. Andriamanitra dia Masina (tsy voakasiky ny ota) nefa kosa isika dia mpiodina araka ny tantaran’ny fahariana, ary manota.
Afaka vinavinaina amin’ny kisarisary iray toy izao izany : isika eo ambonin’ny hantsana iray, ary Andriamanitra kosa eo ambonin’ny hantsana iray hafa, ary ireo hantsana roa ireo dia sarahan’ny lavaka be iray tsy misy fiafarana. Sahala amin’ny fahafatesan’ny sampana raha miala amin’ny hazo ny fisarahantsika tamin’Andriamanitra ka nahatonga antsika maty ara-panahy. Izany fisarahana izany dia mitarika fahadisoana sy tahotra. Araka izany dia miezaka isika manorina tetezana mba hahafahantsika miala ilay hantsana misy antsika ary hiampitantsika eo amin’ilay hantsana misy an’Andriamanitra. Fomba maro samihafa no hataontsika hahatratrarana izany tanjona izany: fandehanana any am-piangonana, any an-tempoly na moske, fiezahana ho masina sy ho tsara toetra, ny “méditation”, ny fivavahana, sns. Ny lisitry ny asa soa natao mba hahatonga azy tsy ho voahilika dia mety ho lava tokoa ho an’ny sasany amintsika, ary ny fomba iainana izany dia mety sarotra tokoa. Maneho izany ity kisary manaraka ity.
Ny olana dia izao : ny ezaka ataontsika, ny fahamendrehana, ny sorona, ny fifadiana samihafa, sns, na dia tsy ratsy aza, dia tsy ampy. Ny tambin’ny ota dia ny fahafatesana. Ny ezaka atao dia mitovy amin’ny tetezana izay mitady hanafoana ny elanelana misy eo amintsika sy Andriamanitra kanefa tsy afaka mampita antsika hiala ilay lavaka akory ireny satria ny ezaka ara-pinoana sy ara-moraly dia tsy manaisotra ny fototry ny olana. Sahala amin’ny fiezahana hanasitrana homamiadana (izay mitarika amin’ny fahafatesana) amin’ny alalan’ny fifadian-kena izany. Tsy ratsy akory ny fihinana sakafo tsy misy hena, fa kosa tsy manasitrana ny homamiadana. Fitsaboana hafa mihitsy no ilaina mba hahasitrana izany aretina izany. Mandrak’ankehitriny dia tsapa toy ny vaovao ratsy izany lalàna izany, tena ratsy ka tsy tiantsika ho re akory ary aleontsika mameno ny fiainantsika karazana sahan’asa sy zavatra izay antenaintsika fa hahafoana izany. Nefa tahaka ny mahazava-dehibe ny fanafan’ny homamiadana rehefa fantatra fa voan’izany aretin’izany tokoa isika ny hananteran’ny Baiboly izany lalàn’ny ota sy ny fahafatesana izany mba hitarihana ny saintsika amin’izay fanafana tsotra nefa mahery.
Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary …
Romana 6 :23
Io teny kely « ary » io dia maneho fa mivily mankany amin’ny Vaovao Mahafaly ity hafatra ity- ilay fanafana.
Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary Fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
Romana 6 :23
Ny vaovao mahafalin’ny filazantsara dia hoe : ny fanoloran’I Jesoa ny ainy dia ampy hanafoana ny elanelana misy eo amintsika sy Andriamanitra. Fantantsika izany satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa telo andro tao aorian’ny nahafatesany, velona indray ny vatany. Na dia misafidy ny tsy hino ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty aza ny sasany, maro ny tohan-kevitra mandresy lahatra ny amin’ny fahamarinan’izany. Ny fanoloran’i Jesoa ny ainy dia efa voalaza tao anatin’ny faminaniana tamin’ny soron’I Abrahama sy ny fankalazana ny soron’ny Paska. Ny fiainan’i Jesoa dia tsy nisy ota. Izany no ahafahany mikasika ny maha-olombelona sy ny maha-Andriamanitra azy, ary ahafahany sy manampy antsika hiampita ny lavaka manasaraka an’Andriamanitra amin’ny olombelona. Manao tetezana mankany amin’ny Fiainana Izy tahaka ny hita amin’ity kisary manaraka ity.
ereo àry ny fomba nanoloran’I Jesoa ny ainy ho antsika. Natolotra ho antsika ho … “fanomezana maimaim-poana” izany. Hevero ny fanomezana. Na inona na inona atolotra, raha tena fanomezana tokoa izany, dia zavatra tsy raisina ho tambin-kasasarana ary tsy azo noho ny fahamendrehana. Raha tambin-javatra iray ny fanomezana, dia tsy azo lazaina hoe tena fanomezana marina intsony. Toy izany koa, tsy afaka mandray ny fanoloran’I Jesoa ny ainy ho tambin-kasasarana isika. Tsotra ihany: atolotra antsika ho fanomezana izany. Inona ary izany fanomezana izany? Tsy inona izany fa ny “Fiainana mandrakizay”. Midika izany fa ny ota izay nitarika antsika, izaho sy ianao, ho any amin’ny fahafatesana dia foana ankehitrio. Ny fanoloran’I Jesoa ny ainy no tetezana izay hahafahantsika miampita mba hifandraisantsika amin’Andriamanitra sy handraisantsika ny Fiainana – izay maharitra mandrakizay. Io fanomezana io, izay natolotr’I Jesoa tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia naneho ny maha-Andriamanitra azy. Mahery tahaka izany io sorona nataony io. Noho izany, ahoana no hiampitantsika, izaho sy ianao, io tetezan’ny Fiainana atolotra antsika io? Hevero hatrany ny fanomezana. Raha misy olona manolotra fanomezana ho anao, zavatra tsy raisinao noho ny asa nataonao izany. Fa mba hahazoanao azy anefa dia mila raisinao izany. Isaky ny misy fanomezana atolotra dia mety misy tranga roa samihafa miseho: na lavina ilay fanomezana (Tsia fa misaotra), na izy raisina (Misaotra amin’ity fanomezana ity). Araka izany, io fanomezan’I Jesoa io koa dia tokony raisina. Tsy ampy ny manaiky izany fotsiny, ny mandinika sy mandalina azy, fa toy ny amin’ny kisary dia mila mandeha miampita ny tetezana makany amin’Andriamanitra isika sady mandray ny fanomezana atolony.
Ahoana no andraisantsika io fanomezana io? Hoy ny Baiboly :
Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena.
Romana 10 :13
.Marihina fa io fanomezan-toky io dia ho an’ny olona rehetra. Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa dia velona Izy ankehitriny, ary Andriamanitra Izy. Noho izany, raha miantso azy ianao dia henoiny sy omeny ny fanomezany. Mila miantso azy ianao ary mangataka aminy- amin’ny alalan’ny firesahana aminy. Mety mbola tsy nanao izany mihitsy ve ianao? Inty misy torolalana afaka manampy anao hiresaka sy hivavaka aminy. Tsy ny teny, amin’ny maha-teny azy, no misy hery manokana, fa ny fahatokiantsika ny fahefany manolotra antsika ilay fanomezana, tahaka ny fahatokian’I Abrahama. Rehefa matoky azy isika dia mihaino sy mamaly antsika Izy. Mahery ny Filazantsara, nefa dia tena tsotra. Aza misalasala àry manaraka ity torolalana ity rehefa miresaka amin’I Jesoa ianao mba handraisanao ilay fanomezany, na am-bava na ao an-tsaina mangina.
Jesoa ô, azoko fa noho ny fahotako nandritra ny fiainako dia tafasaraka tamin’Andriamanitra aho. Na dia miezaka aza aho, tsy misy ezaka, na sorona afaka manafoana tanteraka izany elanelana misy eo amintsika izany. Nefa kosa azoko fa ny fahafatesanao dia sorona afaka manadio ahy amin’ny ota rehetra, anisan’izany ny ahy. Mino aho fa efa nitsangana taorian’ny nanoloranao ny ainao Ianao mba hahafantarako fa ampy izany. Mangataka aminao aho mba hanadiovanao ahy amin’ny otako sy ny hampihavananao ahy amin’Andriamanitra indray mba hahazoako ny Fiainana mandrakizay. Tsy te ho andevozin’ny ota aho, ka mangataka aminao mba hanafahanao ahy amin’ny fahotako. Misaotra Jesoa noho ny zava-drehetra atao amiko ary tariho hatrany aho mandritra ny fiainako mba hahafahako manaraka anao ho Andriamanitro isan’andro. Amen
Marina tokoa, tena mahasoa ny fandalinana ny Filazantsara, ary manantena aho fa hanana fotoana handalinana izany ianao. Misy lahatsoratra hafa akaikin’ity, ary hitanao etsy ambany ny rohy hahafahana mihaino ity amin’ny teny Malagasy (afaka henoina amin’ny fiteny Merina, Antaisaka, Betsimisaraka, Betsileo, Sakalava, ary Vezo) mba hahafahanao mandre ny Filazantsara.
Rohy ahafahana mihaino ny Filazantsara amin’ny fiteny malagasy.